|
|
|
|

Teny iditra1  firesahana
Fototeny  2  resaka
Sokajin-teny  3  anarana
Fanazavàna teny malagasy  4  Fanaovana teny ifamaliana momba izao sy izao: Ny firesahana matetiko ahitana hevitra
5  Fifanakalozana hevitra: Tsy nisy firesahana akory dia nanapaka izy
6  Fanaovana dinidinika: Efitrano firesahana
7  Fitenenana, filazana: Ny firesahako izany tamin-dRabe no nahasosotra an-dRakoto [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  8  l’action de causer [1.3]
Ohatra  9  Sambasamba tamin' izay mba tsy nisy fisavana kahie sy firesahana fianarana. [2.4]
10  Raha nisy firesahana koa na ady hevitra tao am-piangonana, tsy mba niteny mihitsy I Dada sy Neny. [2.472]

Fivaditsoratra  11  firesahana, harafesina

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20