Teny iditra fisafoana (safo)
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Fampandalovana moramora ny tanana eo ambony zavatra iray: Tsy nahateny Ibalita noho ny henatra, fa fisafoana hatoka no nataony
¶ Fijeren' ny dokotera sy ny mpampivelona ny vehivavy bevohoka: Amin' ny sivy ora ny fisafoana ao amin' ny hopitaly
¶ Fandalovana mba hijery ny fandehan-javatra, mba hanara-maso: Rehefa tonga ny fisafoan' ny lehibe, tonga daholo ny mpiasa rehetra ary misehoho miasa tsara [Rajemisa 1985]

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31