Teny iditra fitohana (tohana)
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Toetran' ny zavatra mitohana, izany hoe misy tohana, zavatra iankinana: Tsy toy izao velively ny fomba fitohan' ny voninkazo amin' ny rindrina
¶ Toetran' ny zavatra mitohana, izany hoe misy tohana, misy zavatra manakana: Ny fitohan' ny rano any irà no mahakely ny rano manondraka ny tanimbolintsika [Rajemisa 1985]

Teny iditra fitohana (tohana)
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Toetran' ny olona mitohana, izany hoe maharitra fotoana elaela tsy mivalana [Rajemisa 1985]

Teny iditra fitohana (toha)
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Fitadiavana (remby, zaha) [Rajemisa 1985]

2009/02/23