Teny iditra fitsiriritana (tsiriritra)
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Araka ny voalazan' ny Baiboly dia heloka ny fieremana sy ny fitsiriritana. Ao amin' ny Didy Folo dia atao mitovy saranga amin' ny vonoana olona sy ny fijangajangana ary ny halatra izany ( Eks. 20. 13-17). Akana dia meloka tamin' izany, ka notoraham-bato ho faty ( Jos. 7. 16-26). Ao amin' ny Testamenta Vaovao dia atao iray laharana ny fijangajangana sy ny fieremana ( 1 Kor. 5. 11; 6. 9, 10; Kol 3. 5; Efes. 5. 3). Avy amin' ny fampianaran' i Jesosy Kristy ny fampiraisana ny filaharan' ny fieremana amin' ny filan' ny nofo ( Mar. 7. 21, 22). Araka ny fampianarana nataon' i Jesosy tamin' ny Apostoly dia mitovy ihany ny fanaram-po amin' ny filan' ny nofo sy ny fanampoana an' i Mamôna. Ny Fiangonana Kristiana dia tokony handinika tsara ny fampianaran' ny Baiboly ny amin' ny fieremana, araka izay hita ao amin' ny Jer. 22. 17 ; Mik. 2. 2 ; Lio. 12. 15 ; Rom. 7. 7 ; Efes. 5. 3). 1 Tim 6. 10 ; Heb. 13. 5, ets. Ny mpierina dia tsy mba handova ny fanjakan' Andriamanitra. [Randzavola: Baiboly]
 Faniriana fatratra hanana na hihinana: Voararan' ny didin' Andriamanitra ny fitsiriritana ny fananan' olona [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy covetousness [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay convoitise [Hallanger 1974]
Teny mitovy hevitra fieremana
Ohatra 
1Fitsiriritana tsy mendrika anao izany! [Profita: Ranary, takila 81]
2tsy hamono olona noho ny fitsiriritana azy, na ny fananany na ny vadiny aman-janany na izay rehetra mety ho an' ilay olona; [Randriamamonjy: Tantara, takila 435]
Teny nalaina 

2016/10/24