Teny iditra hataoko > atao (tao)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Karakaraina sy vitaina: Ataovy ny raharahanao fa aza be resaka eo
Anamboarana: Hataoko latabatra ity hazo tsara tarehy
Ampiasaina: Nataony mpampianatra ny zanany aho
Apetraka: Teto no nataoko ny satroko, nefa mahagaga fa tsy hitako eto intsony
Ampidirina: Natao an-tranomaizina ilay mpangalatra
Ahosotra, apetaka: Fanafody atao amin' ny tongotra
Heverina: Nataoko ho efa vitanao ny fafa trano
Antsoina: Fantatrao ve ilay zaza atao hoe: Isambilo? [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be done [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on fait, qu'on fabrique [1.8]
Ohatra Lazaiko anao kosa anefa fa hataoko tsy maintsy henon'ny lehiben'ny distrika [2.472]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : atao, ataoko, ataonao, ataony, ataontsika, ataonay, ataonareo, ataon', ataon-, ataom-
Ny lasa : natao, nataoko, nataonao, nataony, nataontsika, nataonay, nataonareo, nataon', nataon-, nataom-
Ny hoavy : hatao, hataoko, hataonao, hataony, hataontsika, hataonay, hataonareo, hataon', hataon-, hataom-
Filaza mandidy : ataovy
Kamban-teny 
Zanakanarana Kabary nataon-dRavalomanana Marc
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Teny iditra hataoko > hatao (tao)
Sokajin-teny endritenin' ny hoe atao
Ohatra 
1Hatao ahoana moa! [2.499]
2Tsy hataoko an-kila bao! [2.442]
3Tsy hitany izay hataony [2.357]
4ka hataonao fahirano izy [2.996]
Haiendriteny 
Ny hoavy : hatao, hataoko, hataonao, hataony, hataontsika, hataonay, hataonareo, hataon', hataon-, hataom-

Teny iditra hataoko > hatao (taina)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny iharana hataina [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]

Fivaditsoratra