Teny iditra hatevenina (tevina)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]
Fanazavàna teny anglisy See matevina [1.2]

Teny iditra hatevenina (tevina)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Atao matevintevina kokoa: Hateveno ny lalotra fa manify loatra izy izany
Atao matetika kokoa, mifanety kokoa, asiana sosona: Tsy nohateveninareo ny ketsa ka jereo fa kely ny vary azo
Ampitomboina hasina: Hateveno, rankizy, ny anaran-drainareo [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on serre davantage, qu'on rend plus épais; (biens) qu'on augmente [1.3]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : hatevenina, hateveniko, hateveninao, hateveniny, hatevenintsika, hateveninay, hateveninareo, hatevenin', hatevenin-, hatevenim-, hateveni-
Ny lasa : nohatevenina, nohateveniko, nohateveninao, nohateveniny, nohatevenintsika, nohateveninay, nohateveninareo, nohatevenin', nohatevenin-, nohatevenim-, nohateveni-
Ny hoavy : hohatevenina, hohateveniko, hohateveninao, hohateveniny, hohatevenintsika, hohateveninay, hohateveninareo, hohatevenin', hohatevenin-, hohatevenim-, hohateveni-
Filaza mandidy : hateveno
Tsipelina hafa 

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31