|
|
|
|

Teny iditra hoto
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fandroahana biby sasantsasany, toy ny alika, ny akoho amam-borona. [1.1]
Sampanteny 

Teny iditra hoto
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Potipotika, rotidrotika: Nataon' ny saka hoto ny akanjokelin-janako
Rovidrovitra, voarotika: Hoto ny tarehin' ilay kely fa tsy niantran' ilay lehibe mihitsy, hono [1.1]
Sampanteny 
Tovy hevitra hotohoto

Teny iditra hoto
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Vorovoro-drongony, izay atao koa hoe renibendrongony ary ampiasaina indrindra ho fanentsenana loaka na vaky: Manentsin-tsambo amin' ny hoto [1.1]

Teny iditra hoto
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fahasimbana
Fanasaratsarahana ho singa miavaka [1.13]
Fanazavàna teny frantsay Décomposition [1.13]

Teny iditra hoto
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny frantsay  [Betsileo, Merina] Au sens propre : rebut des fibres après le dévidage, bourre
Nom appliqué aussi à l'étoupe, à la bourre des armes à feu. [1.196]

Nohavaozina tamin' ny 2024/08/01