Teny iditra hotohoto (hoto)
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Potipotika, rotidrotika: Nataon' ny saka hotohoto ny akanjokelin-janako
Rovidrovitra, voarotika: Hotohoto ny tarehin' ilay kely fa tsy niantran' ilay lehibe mihitsy, hono [1.1]
Ohatra Trano fito amin' ny folo no indray hotohoto niaraka tamin' ny an-dry Zaka iny alina iny, saingy ny sisa afa-namonjy ny hareny. [2.5]
Sampanteny 
 
Tovy hevitra hoto

Teny iditra hotohoto
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Bara] Korontana amin'ny tany sy fanjakana [1.78]

Teny iditra hôtohôto
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Betsimisaraka] Poti-drofia madinika sisan'ny natohin'ny mpanenona [1.78]

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20