Teny iditra Ilay fitiavana mpandresy
Singan-teny ilay ; fitiavana ; mpandresy
Sokajin-teny anarana (lohatenin' boky)
Mpanoratra Rabearivelo Jean-Joseph, 1921
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra
Lahatsoratra ...

TOKO II : HERY VASOKA

Vetivety foana dia tody teo amin' ny lalana manoloana ny biraon' ny Commissaire ny pousse nitondra an-dRalanto.
—« Bonjour, Monsieur le Commissaire » hoy izy.
—« Bonjour Monsieur. Inona no ilainao ?»
—« Misy zavatra maika holazaiko anao, tompoko.»
—« Mandrosoa ary ato. Moa zavatra ilàna fahanginana va no holazainao ?» hoy ny Commissaire.
—« Eny, tompoko.»
Dia nentin' ny Commissaire tao amin’ny efitra iray, tsy misy hanohofan' ny loza raha te-hihaino resak' olona sofina, Ralanto.
—« Izao, tompoko : Misy jio maromaro raitady hangalatra ao amin'ny 33 Rue X ... anio amin' ny 12 ora alina, hangalatra , eny, hangalatra, ka hanao an-keriny amin' ny fahavirijin' ny tovovavy iray ! hoy Ralanto.
—« Izany ve? Ary misy porofo !»
—« Eny, tompoko, ity ny porofo !» sady natolo-dRalanto ilay taratasy.
Nony efa voavakiny, dia niteny izy hoe : «Lalina izany ! tsy maintsy ho voasakana ity; ka dia matokia fa anio dia haniraka polisy maro any aho, ary tsy hisy handre, raha tsy efa miposaka izany.»
—«Misaotra dia misaotra, tompoko. Bonsoir, Monsieur le Commissaire » hoy Ralanto dia lasa izy nivoaka.
Avy hatrany izy dia any amin-dry Ravoahangy no namantana.
—« Anio alina, amin' ny 12 ora, dia ho avy eto ry..., izany atao hoe Ratsimirona, Rasedra sy Ramandoro ary ny namany hafa rehetra, ka dia hataontsika izay mety rehetra. Ny Commissaire koa hanampy antsika !» hoy Ralanto.
—« Ratsimirona ? Rasedra ? sy Ramandoro ary ny namany hafa rehetra! Iza izany, ary haninona ?» hoy Ravoahangy.
—« Asa izany, fa tsy fantatro koa, ary ny anton'ny alehany dia ny hamefy tsilo maranitra eo anelanelantsika roa, hono !»
— Adray ! Mba adala koa izy izany ; izizany angaha dia tsy mba mahalala ilay tonon-kiran' ny olona hoe :
    Fo roa mitambatra ho iray
    Tsy ho resin' ny onjan' ny ratsy,
    Fa ra ireo malama, 'sika malay,
    Tsy ho laitry ny lelany mantsy,
sy ny hafa maro koa? Mba te-hitonantonana izy ! Ary taiza no nahitanao izany, Ralanto? Mba lalina koa hianao io koa !» hoy Ravoahangy.
—« Tsia, fantaro fa ny hevitr' izy ireo dia angamba ho vokatry ny fialonany, ary tsarovy kosa koa fa tsy ha—, halaliko no nahitako izany, fa noho ny herin' ny vintam-pitiavana !» hoy Ralanto.
—« Ehé ! Miaiky aho ka... Ary hitako izao, ampian' ny efa hitako, fa ampy hiondanan' ny fiadanantsika hianao rahatrizay !» hoy Ravoahangy.
—« Inona indray re izato resakareo e ? Mba kanto koa izavavy itsy raha handoka an' izalahy iroa ka... !» hoy Rafara, (renin-dRavoahangy) niditra indrindra.
—« Koa inona moa, fa tsy izao miaritra ny alon-dranon' ny mpialona izao, mandra-pitody eo amin' ny nosin-tanin'ny fitiavana ; na ny tena fiadanana tsy voapentina !» hoy Ravoahangy.
—« Izany tokoa, fa mba hitokiana ny maha-tena volamena tsy misy fangarony ny ravaka samy hafa dia tsapain' ny sedra izy aloha !» hoy Ralanto.
—« Fa inona indray, retany e ?» hoy Rafara.
—« Hisy izany olona atao hoe Ratsimirona sy Rasedra ary ny namany hafa izany, hanafika ny mandam-pitiavanay, hono, e ! » hoy Ravoahangy.
—« Ka hamefy sy hamboly tsilo tsy azo hihoarana eo anelanelan' ny fonay koa, hono, e!» hoy Ralanto.
—« Haninona a ? Ka mba efa nandre ny fanjakana ? » hoy Rafara.
—« Koa hoe : hangalatra an-keriny ny fon-dRavoahangy, hono, ka mitady hanatontosa izany hevi-maloto izany amin' ny alina mainty. Ary ny fanjakana ? Izany indray ka anontaniana !» hoy Ralanto.
—« Ka hatao ahoana re izany e ? Loza ity marina e!» hoy Rafara.
—« Ka inona indray re no loza irin' Imama eo e ? Koa hoe : efa nahare ny Commissaire, sady handefa polisy aty koa, hono, koa... ! » hoy Ravoahangy.
—« Na izany aza, moa tsy tokony hiomana ve isika ?» hoy Rafara.
—« Ka iza moa no tsy miomana lalandava, ary hitanao fa ny zavatra ho manga rehetra tsy maintsy mbola lalovan'ny mainty ihany !» hoy Ralanto.

Nipaika indrindra ny 6 ora tamin' izay ka toa nanasasaka ny tavam-pamantaranandro ny fanjaitrany roa, fa ny lava nihantona nanatona ny marika 12 ery ambony, ary ny fohy nitsipaka ny lohan’ny 6 etsy ambany. Tapaka teo ny resak' izy telo mianaka, fa Ramatoa Rafara lasa nankany an-dakozy hampahandro sakafo, nitondra ny sainy toa voatabataban'ity vaovao ..oa mahatsiravina, izy roa sisa tao an-efitra (Ravoahangy sy Ralanto), izay tsy nisy nampita ny heviny akory any amin' ity loza mandrahona hihatra rehefa afaka 6 ora monja, fa hira aman-kalokalo no nasesiny teo, nampiseho ny herin' ny mpialona voakapan' ny ain' ny fitiavana mafonja ; ka raha tsy naroson' ny maromita ny sakafo, dia tsy nikombona ny vavan' izy roa, ary tsy niato ny hira niredona teo.

Nony efa tapi-nisakafo, dia tapaka ny hevitra fa tsy hisy hatory mandra-piposak' izay hipoaka. Ny jiro anefa tsy maintsy vonoina; ka raha tsy efa velona ny kalalao, dia tsy pihina ny jiro elektrika. Heno ny fipaikan' ny tamin' ny 8, re ny fanenon' ny tamin' ny 9, naneno koa ny 10 sy 11, feo kely nitsitapitapy nanjaka teo ampovoan' ny fahanginana sy ny aizina ; saiky tsy andry intsony ny haharenesana ny fanenon' ny 12 mampisaraka ny anio amin' ny ampitso.

Tsy ela anefa dia, inay, naneno koa ny feon'ny 12, tsitapitapitr' izay koa dia, inay, nisy nazava any an-tokotany, iny, nisy fanilo nirehitra ao ala-trano, inay koa, nisy nikasaosaoka nanatona ny rindrina ; tampoka anefa dia heno ny siflet maro manam-peo roa avy nifamaly hatraiza hatraiza, nirehitra koa ny jiro tao amin' ny efi-trano 3 ao amin' ny 33 Rue X... , dia indreo Ravoahangy sy Ralanto mitsidi-doha eo am-baravarankely amin' ny rihana ambony mitana lampe iray avy.

Indreny, tazany ny polisy maro, nivoaka tamin' ny toerana namitsahany, ka nanenjika ny jio saiky hangalatra ny saro-bidy indrindra amin' ny ain' ny olombelona, dia ny fitiavana. Mailaka mihitsy anefa ireto lompy mpanao be alina, satria raha tsy efa saka izy tsy ho sahy hitraka ny any am-bilanin'olona ; izany hoe : raha tsy efa andra izy tsy ho sahy hangarona ny biby any an-davany ; hany ka tafatsoaka teo an-tanan' ny herin' ny fahamarinana izy ireo, ady mafana anefa vao afaka tsy ho hita sy tsy ho aza izy ireo.

Na dia izany aza anefa no nitranga, dia faly ihany ry Ravoahangy mianakavy fa afa-doza ; ary votsotra teo an-tanana hifaingohan' ny hohon' ny mpialona efa vonon-kandramatra ny fiadanany, ny fanjakana koa dia faly fa nahasakana ny hevi-maloton' ny jio tsy ho tanteraka. Natomboka hatramin' izao ny fikarohana fatratra ireo nitondra anarana sandoka ho Ratsimirona sy etc., ireo.

...


Nohavaozina tamin' ny 2023/10/21