Teny iditra jinjaina (jinja)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Kapaina amin' ny antsim-bary: Hojinjainany varintsika rahampitso
Azo otazana: Inona no soa hojinjain' ny kamolahy, hoy ianao [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be reaped, to be cut down [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on coupe, qu'on moissonne [1.3, 1.8]
 Qu'on récolte [1.3]
Ohatra 
1Eny ary, hoy Razakatahiny, fa tokony hanaovana latsaka alina kapohina eny am-potony ny varin'ny Manisotra efa mena ho jinjaina. [2.508]
2Dia jinjaina rahefa masaka, atonta rahefa maina, velezina amin' ny langilangy hampihintsana ny voa avy amin' ny taho ary hanesorana ny mololo, kororohina hanalana ny akofa. [2.472]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : jinjaina, jinjaiko, jinjainao, jinjainy, jinjaintsika, jinjainay, jinjainareo, jinjain', jinjain-, jinjaim-, jinjai-
Ny lasa : nojinjaina, nojinjaiko, nojinjainao, nojinjainy, nojinjaintsika, nojinjainay, nojinjainareo, nojinjain', nojinjain-, nojinjaim-, nojinjai-
Ny hoavy : hojinjaina, hojinjaiko, hojinjainao, hojinjainy, hojinjaintsika, hojinjainay, hojinjainareo, hojinjain', hojinjain-, hojinjaim-, hojinjai-
Filaza mandidy : jinjao
Tsipelina hafa 
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20