Teny iditra jokoina (joko)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Hatonina moramora mba tsy ho taitra ka ny tena amin' izany miondrikondrika, mivokoka: Nojokoinay ilay mpangalatra ka azo
Tilina, tsikiloina, arahi-maso: Nasain' i Dada nojokoiko iny olona iny sao mangalatra
Angalarina, alaina an-tsokosoko: Nojokoin' ny sasany teto ny solomasoko [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : jokoina, jokoiko, jokoinao, jokoiny, jokointsika, jokoinay, jokoinareo, jokoin', jokoin-, jokoim-, jokoi-
Ny lasa : nojokoina, nojokoiko, nojokoinao, nojokoiny, nojokointsika, nojokoinay, nojokoinareo, nojokoin', nojokoin-, nojokoim-, nojokoi-
Ny hoavy : hojokoina, hojokoiko, hojokoinao, hojokoiny, hojokointsika, hojokoinay, hojokoinareo, hojokoin', hojokoin-, hojokoim-, hojokoi-
Filaza mandidy : jokoy
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31