Teny iditra (1/4) | 1 kibobo |
Sokajin-teny | 2 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
3 [1.78] [Betsileo]
vorona mpisitrika anaty ahitra toy ny tsipoy fa kely toy ny: Kibobo voanfandrika ko mandremandre re ahazoana zanakakoho 4 [1.1] Karazam-borona madinidinika; ohatra ny akohokely mavomavo ny habe amam-bikany, matetika hita mitsoriaka any anaty bozaka; fihinana tsara ny nofony ary tsy mba hazaina izy fa fandrihana (Turnix nigricollis) |
Fanazavàna teny anglisy |
5 [1.2] a species of bustard quail. Turnix nigricollis, Gon. Same as kibo, kibokely and kibotay |
Fanazavàna teny frantsay |
6 [1.19, 1.54] caille 7 [1.5] caille (Cothurnis communis, Phasianidae) |
Ohatra |
8 kibobo nihehy voro-mila hanina aza fatra-pandatsa ry zalahy fa ny mamelon-tena zava-tsarotra. [2.131] 9 Nanao andia telo ireny, samy nanana ny biby hazainy avy: tsipoy, kibobo, sahona. [2.472] |
Voambolana |
10 Haibiby: vorona |
Tsipelina hafa | 11 kibo |
Tovy hevitra | 12 kibokely, kibotay, menamaso, papelika |
Anaram-biby |
|
Ohabolana | 15 Ohabolana misy io teny kibobo io |
Teny iditra (2/4) | 16 kibobo |
Sokajin-teny | 17 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
18 [1.78] [Betsileo]
hena mahia: Kibobo fa be didy (Hena mahia fa anananambe) |
Teny iditra (3/4) | 19 kibobo |
Sokajin-teny | 20 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
21 [1.78] [Bara]
trano bongo efa simba, tranon-tovovavy |
Teny iditra (4/4) | 22 kibobo |
Sokajin-teny | 23 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
24 [1.78] [Betsileo]
vovoka |
Fivaditsoratra | 25 biboko, boboky, kibobo |
Nohavaozina tamin' ny 2025/02/02 |
![]() |