Teny iditra kilonga
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Ankizy dia tsy zazakely nefa koa tsy mbola zatovo. Ny ankizilahy dia atao hoe kilongalahy ary ny vavy dia kilongavavy. Misy fitenenana betsileo hoe : "Kilonga milanon-draibe, ko dia ampitso no ampitso"; izany hoe manisa andro (tsidrian-taona) fa manantena zavatra avy amin' ny lanonambe hatao [1.10]
  [Betsileo] Zaza [1.1]
 Ankizy efa tsy zazakely loatra intsony, nefa tsy mbola zatovo koa [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Adolescents, often in a derogatory sense [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Un garçon encore jeune, un adolescent par rapport à un homme Agé. [1.3]
 Les jeunes (souvent péjoratif) [1.8]
 Marmaille [3.1]
Ohatra 
1Namonjy fodiana ny kilonga tany an' ala. [2.5]
2Ny kilonga madinika kosa indray nitanaka nahita ahy vaventy lava. [2.643]
3Matavy ny tsilon-draketra, mamony ho voa fihinan' ny kilonga anatin' ny fotoana fohy. [2.470]
Kamban-teny 
Tsipelina hafa 
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2024/02/27