Teny iditra kily
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy ( Tamarindus Indica, Latina) Hazo lehibe amin'ny antokon'ny légumineuses, maniry indrindra ao amin'ny faritany mafany andrefana sy atsimo. Mety ho vaventy tokoa izy fa mahatratra hatramin'ny 3 na 4 metatra ny manodidina ny vatany. Betsaka ny raviny sady midoroboka be sy matevina hany ka mahafinaritra ery ny mialokaloka eo am-potony amin'ny andro mafana. Ny fanjan'ny kily dia vony na vonivony: ny voany dia ireny efa amidy betsaka aty afovoan-tany, dia ny voany (gousse) efa masaka. Mafy ny hoditr'io voany io ary misy nofony manja-mena mamimamy maharikivy, ataon'ny ankizy mpihinina azy hoe voamadilo. Mafy kosa ireo voany madinika maintimainty anatiny. Efa miely ao amin'ny tany mafana rehetra ny kily sady mora maniry rahateo fa ny voany ihany no ambolena. Tany Afrika dia nahita betsaka izahay ao amin'ny alabe manelanelana an'i Brazzaville sy Pointe-Noire (1960). Raha masaka tsara sy maina am-potony ny voan'ny kily (gousse) ka tsy mihintsana dia maharitra ela tokoa -- am-bolana azy -- tsy simba, tsy lo. Ny voany tanora indray, izany hoe mbola tsy misy ireo voa madinika ao anatiny, dia ataon'ny mpitia azy rougail, ary ny efa masaka kosa dia samy manamboatra araka izany izay itiavany azy avy ny mpihinana, toy ny Karana izay mampiaraka azy amin'ny "karia" (vovoka vonivony tsara fofona fanatsiroan-kanina). Ny Afrikana kosa dia manamboatra zava-pisotro avy aminy izay asiany tantely sy voasarimakirana koa. Eo amin'ny volana novambra ka hatramin'ny volana fevrie no favokaran'ny kily na madiro.

Matevina ny hoditry ny kily hazo, maraorao, somary mainty ary vakivaky. Ny hazony dia fotsy, mafy, sarotra amboarina (tsofana sy vakonina). Saika ahitana foto-madilo avokoa ny tanàna maro ao andrefana (Antsakalava). Misy azy ihany koa any atsimo; na dia ao amin'ny toerana vitsy hazo afa aza dia mbola misy kily ombieny ombieny izay efa miolanolana sy mandry tsy mahatanty ny rivo-mahery. Eo am-potry ny kily midoroboka no fanaovan'ny mpanjaka kabary sy lalonana ary dinidim-pokonolona. Any Antsakalava, ny ravin'ny kily dia tanehina amin'ny ranomangotraka na alona kely toy ny fanao dite mba ho odi-kankana na fitsaboana ny vavony tsy tsaratsara. Ny hoditry ny hazo dia anaovany loko mainty koa -- mba handokoany ny kofehy landy na landihazo na rofia hotenomina. Anaovany karazan-toaka gasy koa ny voany ary ilay voany madinidinika maintimainty dia anaovan'ny sasany sikidy koa, atao hoe sikily. Ny mponina ao amin'ny faritany sasany dia mihevitra sy mino fa itoeran'ny ambiroan'ny olona efa maty ny kily; antsoiny hoe setoany ireny ambiroa na avelon'ny maty ao ireny, ary noho izany dia tsy azo andalovana mihitsy hono, eo amin'ny kily amin'ny kily amin'ny hariva sy ny alina. Ary raha misy mahatezitra ny matoatoa na fanahy ratsy ao aminy dia tsy maintsy afanana amin'ny ran-omby vonoina ho sorona aminy izy. [Ravelojaona 1937]

 Hazo lehibe sady be ravina misandrahaka, fahita amin'ny tapany atsimo sy andrefana, manome ny voa atao hoe voamadilo. [Rajemisa 1985]
 Hazo manome ny voamadilo ary mety maharitra zato taona. [SLP 1986]
  madilo [Ravelojaona 1937, Richardson 1885]
  madiro [Ravelojaona 1937, Richardson 1885, David 1952]
  voamatony [Ravelojaona 1937]
  lamoty [Ravelojaona 1937]
Famaritana anglisy The tamarind tree [Richardson 1885, Hallanger 1973]
 The Sakalava use a decoction or infusion of the leaves as a vermifuge and also for stomach disorders. They also obtain from the tree a black dye for silk. They think that the tree affords a dwelling-place for evil spirits, to propitiate which it is occasionally smeared with the blood of oxen. The fruit they use in the manufacture of rum, and the seed in working the sikidy, called by them sikily, probably from this kily. Tamarindus Indica (Latin) [Richardson 1885]
Famaritana frantsay Le tamarinier; le fruit du tamarinier [David 1952, SLP 1986, Hallanger 1974, Rajaonarimanana 1995]
 prunier malgache [Ravelojaona 1937]
 Cet arbre originaire d'Afrique peut atteindre vingt-cinq mètres de haut. Ses fruits laxatifs servent à la préparation de confitures et de boissons. Les lémuriens se régalent de ses gousses ( voamadilo). Arbre sacré, c'est un des lieux de communication avec le surnaturel. [Rajaobelina: Malgache]
  [Bara, Sakalava] Tamarindus indica L. (Fabaceae). Grand arbre qui fait l'ornement de la principale place dans tout village de l'Ouest ou du Sud-Ouest ; les kabary ou discussions entre notables ont lieu sous son ombre. Les fruits, très acides, sont légèrement laxatifs et surtout antiscorbutiques, riches en vitamine C. Aussi faisaient-ils traditionnellement partie de la cargaison d'un piroguier et c'est ainsi que l'espèce s'est répandue sur toutes les côtes de l'océan indien. On prépare avec leur pulpe des boissons hygiéniques, sorte de limonades. Les jeunes gousses confites sont utilisées comme condiment ; on les incorpore au carry et à d'autres sauces. Les graines mûres, très dures ; sont employées dans l'art de la divination, d'où le nom de sikily : méthode de divination par disposition des grains sur une grille dessinée à l'avance, suivant des règles fort compliquées. Le mpisikidy est celui qui prédit l'avenir suivant cette méthode. Les jeunes feuilles fournissent une infusion vermifuge, contre les ascaris et oxyures. Le bois, blanc mais résistant, est difficile à travailler. L'écorce servait autrefois à préparer une teinture noire utilisée pour la soie, le coton et même le rafia. [Boiteau 1997]
Famaritana alemà Tamarinde; Tamarindebaum [Bergenholtz 1991]
Voambolana 
Anarana siantifika Tamarindus indica
Teny mitovy hevitra lamoty ~ madilo ~ madiro ~ voamadilo ~ voamatony
Teny nalaina 
Haianarantany Anaran-toerana misy ity teny kily ity (34)
Ambahikily
Ankiliabo
Ankiliabokely
Ankiliambany
Ankiliarivo
Ankilibe
Ankilibory
Ankilidonga
  Ankilifaly
Ankilifito
Ankilifolo
Ankililahy
Ankililoaka
Ankilimahitsy
Ankilimalinika
Ankilimanjaka
  Ankilimaro
Ankilimena
Ankilimiangy
Ankilimionga
Ankilimivony
Ankilimivory
Ankiliroa
Ankilitelo
  Ankilivalo
Ankilivalokely
Ankilivelomy
Ankilizato
Ankily
Bekily
Kiliarivo
Kilimivory
  Kilivalo
kily
 kily
Sary 

2019/08/17