Teny iditra koja
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fitandremana manokana atao amin' ny zavatra, mitovy amin' ny hoe karakara, saingy ampiasaina kokoa kosa raha zavatra madinika no tenenina na fikarakarana amin' ny lafiny madinidinika: Ianao no hiandraikitra ny kojan-tokantrano
¶ Andinindininy: Tsy ho haiko ny hilaza izao kojany rehetra izao. [Rajemisa 1985]
Sampanteny 
Mpitovy hevitra kojakoja

Teny iditra koja
Sokajin-teny mpampitohy [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [Tanala] kosa: Anareo koza ka ba mañisy an'io ango valaña io (ianareo kosa aza mba manao io teotra ratsinareo io) [Rakotosaona 1975]

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31