Teny iditra lalamby
Singan-teny lalana ; -by (vy)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Lalana nasiana bara vy lava mitovy elanelana hatrany ikorisan' ny kodiaran' ny masinina, izay atao indrindra koa hoe fiara na kalesin-dalamby; hazo efajoro na vy no rairaindrihana ipetrahan' ireo bara vy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy [ lalam-by ] A word used for a railway; lit. an iron road [1.2]
 A railroad [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Chemin de fer [1.8]
 Chemin de fer, voie ferrée, rail [1.13]
Ohatra 
1Fantatrao ve ny halavan' ireo lalamby ireo? [2.113]
2Misy lalamby mandalo any anaty tany, nefa mazava toy ny antoandrobe. [2.332]
3Nanohy ny dianay nanaraka ny lalamby indray izahay, vonona handripaka ny mponin' ny ala araka. [2.5]
Voambolana 
Kamban-teny 
Mpanahaka  T.C.E. : Tananarive Côte-Est ~ F.C.E. : Fianarantsoa Côte-Est ~ M.L.A. : Moramanga-Lac Alaotra ~ T.A. : Tananarive-Antsirabe
Sary 

Nohavaozina tamin' ny 2023/11/21