Teny iditra lehilava (lehy, lava)
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy fomba fandeha ny pai-panorona, mifamaly amin' ny hoe lehifohy. Mifamaly toy izany koa ny hoe lehihavanana sy lehihavia [Ravelojaona 1937]
Famaritana frantsay manière de jouer au fanorona [Abinal 1888]
Voambolana 
Teny mifanohi-kevitra 

Teny iditra Lehilava (lehy, lava)
Sokajin-teny anaran-tsamirery (haitoetany) [fitanisana]
Voambolana 
Ohatra Rehefa nipetraka kelikely teo ireo Zanakantitra, dia tsy omby ny tanàna ka nivoaka niatsinanana kely naka vohitra teo Ambohimasina ny sasany; ary ny sasany kosa niakandrefana nankeo Lehilava na Andohamandry. Fatratra mihitsy ny fitombony, ka tamin'ny nandaminan'i Laidama ny vatan-dehilahy ho isan-jato sy isan'arivo hampanaovina fanompoana, dia nahatratra telon-jato ny vatan-dehilahy teo aminy: Ambohimiarina zato iray, Ambohimasina zato iray, ary ny andrefana momba an'Andohamandry na Lehilava, zato iray. [Rasamuel: Zanakantitra]

Nohavaozina tamin' ny 2019/12/25