Teny iditra lesoka
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Petaka (orona): Lesoka orona io zazavavy io no naharatsy azy
Iva ary lempona, pepo, tsy feno: Misy lesoka eto ny lalotra ka amboary kely [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Sunken in the middle; flat-nosed [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Enfoncé au milieu; camus; creux [1.8]
Ohatra 
1Misy ny lesoka mila arenina. [1.368]
2Izao anefa, manarina ny lesoka ny mpanakanto. [2.445]
Sampanteny 
Anaram-javamaniry 
Ohabolana 

Teny iditra lesoka
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Tsininy: Mahafinaritra be ohatrohatra ny lahateninao, fa ny hevitra no somary maivana: izay no lesoka aminy. [1.1]

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2022/01/28