Fanazavàna teny malagasy | Boky fahatelo ao amin' ny Testamenta Talohan' ny Baiboly, ao amin' ny antokon' ireo atao hoe
"Boky P" (Mpisorona) ; koa ao amin' ny Baiboly malagasy ny anarany dia miampy hoe "na Fisoronana".
Saiky izy manontolo dia milaza zavatra momba ny Mpisoronana sy ny Fisoronana, dia ny lalàna sy ny
fanazavana momba izany raharaha izany.
Ny toko I-VII dia lalàna sy fepetra, ets. momba ny fisoronana.
Ny toko VIII-X momba ny fanokanana na fanamasinana na fanosorana olona ho mpisorona,
Ny toko XI-XIII dia lalàna ny Fanadiovana sy ny Fanavotana.
Ny fizarana ao amin' ny toko XIII-XXVI dia antsoina hoe Lalàn' ny Fahamasinana ary hita ho mitoka-miavaka
amin' iretsy fizarana namany, ary hita fa soratra hafa ny loharano niteraka azy.
Tsy ny tarehin-dahateny ihany no mampiavaka azy, fa ao koa ny famerimberenany ny teny hoe Fahamasinana :
Henjaniny sy averimberiny fatatra ny tsy maintsy ilan' ny mpivavaka ny fahamasinana. [1.10]
|