Teny iditra | fisoronana (sorona) | ||||
Sokajin-teny | anarana | ||||
Famaritana malagasy | Fanafenana na tsy filazana amin' ny olona izay kilema ananany, nefa tsy hitany, na izay zavatra hita fa tsy mety ataony, na mikasika azy izany na mikasika ny havany: Ny Ntaolo ihany dia efa nampitandrina antsika ny amin' ny fisoronam-bady ao an-trano [Rajemisa 1985] | ||||
Teny iditra | fisoronana (sorona) | ||||
Sokajin-teny | anarana | ||||
Famaritana malagasy | Fikarakarana ny firehetan' ny afo amin' ny fandrosoana kitay ao am-patana: Nataon' ny Ntaolo ohatra ny fisoronana afon' Ikala adala: ny aloha tsy lany, hoy izy, nefa ny aoriana asesika ihany [Rajemisa 1985] | ||||
Fandikana frantsay | l'action d'attiser le feu, l'instrument [Abinal 1888] | ||||
Ohatra | Tsy manavao rahateo ny fisoronana afo koa dia misosa ho lelafo mivaivay ny ravim-pary maina atosi-tananasy rotsa-kazo. [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 44] | ||||
Teny iditra | fisoronana (sorona) | ||||
Sokajin-teny | anarana | ||||
Famaritana malagasy | [ fisoroñana ] [Tambahoaka] fivavahana, fanoloran-tsorona (toerana) [Rakotosaona 1975] | ||||
Fanaovana sorona:Fisoronana zanak'ondry no natao tamin'ny fetin'ny Paka tamin'ny Testamenta taloha. [Rajemisa 1985] | |||||
Fandikana frantsay | l'action d'offrir un sacrifice, l'autel, l'instrument, le lieu, le motif [Abinal 1888] | ||||
Ohatra |
| ||||
Lahatsoratra | Randzavola: fisoronana ao amin' ny Baiboly | ||||
Teny iditra | fisoroñana | ||||
Sokajin-teny | anarana | ||||
Famaritana malagasy | [Tambahoaka] tsangambaton-tsampy [Rakotosaona 1975] | ||||
Teny iditra | Fisoronana (sorona) | ||||
Sokajin-teny | anaran-tsamirery (ara-baiboly) | ||||
Famaritana malagasy | (fanafohezana Fisor) na hoe Levitika = Izany no iantsoana azy, satria izy no mirakitra ny Lalàna mifehy ny fomban-pivavahana sy ny andraikitry ny mpisorona ary ny Levita [Randrianasolo: Baiboly] | ||||
Teny mitovy hevitra | Levitika ~ Levitikosy | ||||
Lahatsoratra | Randzavola: Fisoronana => Fanatitra sy Mpisorana | ||||
Boky manontolo | Baiboly iraizotra | ||||
Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31 |
![]() |