Teny iditra levonina (levona)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Atao fongana, tsy misy: Azon' Andriamanitra levonina izao tontolo izao
Simbana: Nolevonin' Ikoto ny kilalaon-janako
Bavana, fongorana, aringana, arfpaka: Nolevonin' ny mpangalatra ny fananan-dRainizafy ato atsimo
Ampanjarina ho fofona, ho etona, ho ranony: Levonin' ny masoandro ny zavona ~ Levony ao anaty rano ny siramamy
Ampanjarina ho zavatra mahavelona ny tena: Sakafo saro-devonina ny henan-gisa [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be consumed; to be utterly destroyed; to be dissolved; to be digested [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on anéanti; qui est dissout; qui est digéré [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : levonina, levoniko, levoninao, levoniny, levonintsika, levoninay, levoninareo, levonin', levonin-, levonim-, levoni-
Ny lasa : nolevonina, nolevoniko, nolevoninao, nolevoniny, nolevonintsika, nolevoninay, nolevoninareo, nolevonin', nolevonin-, nolevonim-, nolevoni-
Ny hoavy : holevonina, holevoniko, holevoninao, holevoniny, holevonintsika, holevoninay, holevoninareo, holevonin', holevonin-, holevonim-, holevoni-
Filaza mandidy : levony
Kamban-teny 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20