Teny iditra levona
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Foana, tonga tsy misy: Indray mipy maso ihany, dia mety ho levona, hono, izao tontolo izao
Lany: Levon' ny omby ny varinay
Simba: Levon' ny zanakao ny bokiko
Lasa entona: Levon-ko fofona ny kamifaoro
Lasa tsy hita venty intsony toy ny sira latsaka ao anaty rano: Levona tao anaty rano ny siramamy
Voaovan' ny vavony: Tsy mbola levona ny sakafonao ka aza mandro [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Consumed; utterly destroyed; dissolved, digested [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Consumé, anéanti; dissout; digéré [1.8]
Ohatra 
1levona ny harena be. [2.59]
2Efa levona tsy hita intsony ny zavona; [2.324]
Sampanteny 
 
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31