Teny iditra mahalana (halana)
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Be elanelany, tsy mifanakaiky: Nataonao mahalana loatra ny hazo nambolena ka betsaka ny ambiny tsy lany
Mitovy hevitra: bakaka ~ bakatraka ~ makaka ~ malalaka be elanelana ~ manify ~ manify fafy ~ mielanelana ~ tsy matetika ~ tsy mifanety
Tsy mpiseho matetika, indraindray foana: Mahalana vao mitsidika anay aty ny lehibem-paritany
Mitovy hevitra: indraindray tadiavina ~ mitsitapitapy ~ tsy fahita firy ~ tsy fahita firy ohatra ny gisa mainty ~ tsy fahita matetika [1.1]
 Tsy mateti-piseho [1.13]
Fanazavàna teny anglisy Far apart, not close. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Clair-semé, espacé, qui se fait ou arrive de temps en temps [1.3]
 Rare [1.13]
Ohatra Namindra mahalana indray ilay tovolahy, nananika ny fiakarana somary mideza. [2.529]
Tohi-kevitra 
Kamban-teny 
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/02/14