Teny iditra |
mameno
(feno)
|
Sokajin-teny | matoantenin' ny mpanao
|
Fanazavàna teny malagasy | Manenika, mahahenika: Mameno ny trano ny fofon' izany fanafody izany Manototra: Mameno hafaliana anay ny fahitana anao ~ Hameno ny banga aminay ny fahatongavanareo roa lahy Manatanteraka, mahatontosa: Nameno ny faniriako ny fahombiazan' ny zanako tamin' ny fanadinana [1.1]
|
Fanazavàna teny anglisy | To fill [1.2, 1.7]
|
| To fill up. [1.2]
|
| To complete [1.7]
|
Fanazavàna teny frantsay | Remplir; compléter [1.8]
|
Ohatra |
1 | ny voliko mameno saha;
[2.69]
|
2 | Maty antoka miara-mameno, fa volan' olona!
[2.69]
|
3 | Tantely tapa-bata, ka ny fo no mameno azy.
[2.296]
|
|
Haiendriteny |
Ny ankehitriny : |
mameno |
Ny lasa : |
nameno |
Ny hoavy : |
hameno |
Filaza mandidy : |
mamenoa |
|
Kamban-teny |
|
Ohabolana |
|