Teny iditra (1/2) | 1 mamindra |
Fototeny | 2 findra |
Sokajin-teny | 3 matoantenin' ny mpanao |
Fanazavàna teny malagasy |
4 [1.1] Manova toerana: Iza no namindra ny satroko teto Mitondra amin' ny toerana hala: Lasa namindra ny zanany amin' ny Sekoly any Antananarivo izy Mamboly zavamaniry efana niry tamin' ny toeran-kafa: Mamindra zana-kazo Manendry hiasa amin' ny toeran-kafa: Ny lehiben' ny Faritany no namindra azy ho eto Manome, manolotra: Namindra ny fahefany tamin' ny apostoly i Jesoa Mampita: Tsy tsara ny mamindra hafatra Mandeha: Mbola vao herintaona latsaka dia mamindra tsara sahady ilay zaza Miara-mandeha, mitanjozotra, mirindra tsara: Namindra tsara ny foloalindahy tamin' ny matso tamin' ny 26 Jiona |
Fanazavàna teny anglisy |
5 [1.2] to remove, to transfer, to transcribe, to transplant, to step, to walk. 6 [1.7] to move; to walk (esp. of a child) |
Fanazavàna teny frantsay |
7 [1.8] déplacer, changer de place: marcher (se dit surtout des enfants) |
Ohatra |
8 Izay manoro lala-mahitsy no mamindra aina. [2.69#] 9 Ka izahay manana anareo, tsy ho lavo mamindra; [2.245#] |
Voambolana |
10 Hetsika |
Haiendriteny |
|
Kamban-teny |
|
Ohabolana | 19 Ohabolana misy io teny mamindra io |
Teny iditra (2/2) | 20 mamindrà |
Fototeny | 21 findra |
Sokajin-teny | 22 filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mamindra [Fitanisana] |
Fanazavàna teny malagasy |
23 [1.1] |
Fanazavàna teny frantsay |
24 [1.3] |
Fivaditsoratra | 25 amindram, indramam, mamindra, mamindrà, mindrama |
Nohavaozina tamin' ny 2025/02/08 |
![]() |