Teny iditra mampifilafila (filafila)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mampitamby; manaiky hanome na hanao dia mandà, manaiky indray dia mandà: Aza mampifilafila tahaka izao ianao, fa rehefa tsy hanome dia milazà tsotra [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Promettre et se dédire [1.5]
Ohatra 
1Nahoana no omaly mampitamby sy mampifilafila, ka anio ihany dia mifona sy milela-paladia? [1.282]
2Ka dia ny mihenjana amin' avona no lalàm-pitondrantena mety, hoy ny sasany, tsy mihontsona amin' izay satan' ny tany mampifilafila, miandry izay hitranga na inona na inona toa ny " vatolampy ampy handihizan' ny varatra. [2.296]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mampifilafila
Ny lasa : nampifilafila
Ny hoavy : hampifilafila
Filaza mandidy : mampifilafilà
Tovy hevitra mamilafila ~ mampilafila

Teny iditra mampifilafilà (filafila)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mampifilafila [fitanisana]

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20