|
|
|
|

Teny iditra1  mampody vady
Sokajin-teny  2  kambanteny
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] enti-milaza ny fampakaram-bady taloha raha notsorina ny fanaovana azy ka ny ray aman-dreny roa tonta no irahin' ny fianakavian-drazazavavy hanatitra ny vodiondry ary tsy misy fanasam-be amoria-mpianakavy
mampiverina indray ny vady nisintaka
manao fanambadiana tsotra, tsy malaza
Fanazavàna teny anglisy  4  [1.2] to marry a wife, but not to make it a time of feasting or rejoicing
to bring home again, or to try to do so, a wife who has been separated from her husband
5  [1.7] to bring one's wife back after almost separating
Fanazavàna teny frantsay  6  [1.3] rappeler son épouse qui été séparée
épouser une femme sans aucune solennité extérieure
7  [1.8] ramener sa femme à la maison après s'être presque séparés
Singan-teny  8  mampody, vady

Nohavaozina tamin' ny 2024/12/07