Teny iditra manafatra (hafatra)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Manome zavatra hampanaovina olona: Nanafatra ahy Rabe mba hitondra itỳ taratasy itỳ aty aminao
Mampaka, manao izay hahatongavana, mividy any lavitra: Nanafatra boky, nanafatra mpampianatra any Antananarivo izahay
Mamporisika, manoro hevitra: Nanafatra ny mponina ny filohan' ny Nosy mba hiasa daholo [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To bequeath, to specify; to order, to send for. [1.2]
 To entrust with a commission; to warn; to order merchandise [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Donner commission, charger [1.3, 1.8]
 Mander, recommander, commander [1.3]
 Passer une commande [1.8]
Ohatra 
1Aza manafatra ny mby an-dalana! [1.437]
2Raharaha haingam-bola ny mamarina entana any Andafy sy ny manafatra ny avy any. [2.643]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manafatra
Ny lasa : nanafatra
Ny hoavy : hanafatra
Filaza mandidy : manafara
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20