Teny iditra hafatra
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Teny apetraka amin' olona iray mba hampitainy amin' ny olon-kafa iray: Lasa nitondra hafatra izy
Torohevitra, didy, teny apetraka: Izao no hafatr' i Dada tamiko talohan' ny handehanany [1.1]
Fanazavàna teny anglisy A message [1.2, 1.7]
 A will, a testament, a request, an order for something. See didy. [1.2]
 A recommendation; an order for merchandise [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Message; recommandation; commande de marchandise [1.3, 1.8]
 Commission [1.3]
Ohatra 
1fa izao no hafatra nataony: [2.293]
2Nifantoka mafy tao an-tsainy ny hafatra natao azy. [2.470]
3Ary nametrahana hafatra koa ka milaza. [2.472]
Haiendriteny 
Tsotra : hafatra, hafatro, hafatrao, hafany, hafatsika, hafatray, hafatrareo, hafatr', hafa-, hafatry
Sampanteny 
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 
Lohateny Hafatry ny Mpaminany
Hafatry ny mpanabe (Ratrema William)
Md François hafatra velona
Ny Hafatry ny Ombalahibemaso (Randriamamonjy Esther)
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/07/02