|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  manainga
Fototeny  2  ainga
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4  [1.1] Manala ny zavatra amin' ny toerana ambany misy azy ka manondrotra azy, mibata: Tsy afaka manainga ny tongony akory io marary io ~ Afaka manainga ity vato ity ve ise?
Mamporisika, mitaona: Manainga ny vahoaka ny Filohan' ny Nosy mba hifankatia sy hiasa
Miala amin' ny toerana iray ka mandeha: Tsy afaka hanainga amin' ny efatra maraina isika fa mbola misy hamboarina ny fiarakodia
Fanazavàna teny anglisy  5  [1.2] to lift up, to elevate, to raise up; to send forward on a journey; to fetch to a feast or meeting; to ask a person to rise.
Ohatra  6  Fa ny Fiangonana kosa, izy manainga anao hitory azy. [1.369#]
7  Ilaikely io hoy ny olona misy zavatra manainga azy mihitsy. [2.606#]
8  laraha-mahalala koa fa ny fony indrindra no manainga ny Malagasy. [2.298#]
Haiendriteny 
9  Ny ankehitriny :
10  Ny lasa :
11  Ny hoavy :
12  Filaza mandidy :
Kamban-teny 
Ohabolana  16  Ohabolana misy io teny manainga io

Teny iditra (2/2)17  manaingà
Fototeny  18  ainga
Sokajin-teny  19  filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao manainga [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  20  [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  21  [1.3]

Fivaditsoratra  22  amangany, amangian, amingana, anaingam, anangiam, angainam, maingaña, managian, manaingà, manainga, manangia, mangaina, mangaiña, miangana, namangia, nanagiam

Nohavaozina tamin' ny 2025/02/08