Teny iditra manaketraka (ketraka)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Manao izay tsy hahahenjana; managedragedra: Iza no nanaketraka itỳ kofehy itỳ toy izao?
Mampitony, manalefaka: Manaketraka ny hozatra itỳ fanafody itỳ
Mandreraka: Nanaketraka azy ny raharaha betsaka nataony
Mahakivy, maharera-po, mampiraviravy tanana: Aoka tsy hanaketraka anao ny tsy fahombiazana [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manaketraka
Ny lasa : nanaketraka
Ny hoavy : hanaketraka
Filaza mandidy : manaketraha

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/05