|
|
|
|

Teny iditra1  manambitamby
Sokajin-teny  2  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] Manafosafo na manehatehaka malefaka amim-pitiavana mba hanala alahelo: Manambitamby zaza manavy
Miangavy olona amin' ny fanomezan-javatra na karama, na amin' ny fanaovana izay hahafaly azy: Nanambitamby ahy mafy izy hanohana azy amin' ny fifidianana
Fanazavàna teny anglisy  4  [1.7] to coax, to cajole
Fanazavàna teny frantsay  5  [1.3#659, 1.8] cajoler, allécher
6  [1.3#659] caresser, flatter, consoler
Ohatra  7  [2.470] Mamerina mandrakotra sy manambitamby azy Rasoa, olon-tiany.
8  [1.3#659] nanambitamby ny reniny izy ka azony izay nangatahiny (Il a cajolé sa mère, et obtenu ce qu'il demandait)
Fototeny  9  tambitamby
Haiendriteny 
10  Ny ankehitriny :
11  Ny lasa :
12  Ny hoavy :
13  Filaza mandidy :
Mpanahaka  14  manafosafo, misafosafo, mitsontsona, mandrotsirotsy, manolikoly, manojikojy, mihontihonty, manehatehaka, manejokejo, mamalifaly
Ohabolana  15  Ohabolana misy io teny manambitamby io

Nohavaozina tamin' ny 2024/12/11