Teny iditra manatanteraka (tanteraka)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mamita tsara, tomombana hatramin' ny farany, manatontosa: Manatanteraka ny adidy amin' ny mpiara-belona [1.1]
 Manatontosa
Fanazavàna teny anglisy To effect, to carry through, to accomplish [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Accomplir, mener à bonne fin [1.8]
 Réaliser, accomplir [1.13]
Ohatra 
1Tsy izy manenjika sy manatanteraka filamatra iray ve? [2.529]
2Ny anjaranareo dia ny manaiky, mankato, manatanteraka. [2.472]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manatanteraka
Ny lasa : nanatanteraka
Ny hoavy : hanatanteraka
Filaza mandidy : manatanteraha

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20