Teny iditra |
mandaboka
(daboka)
|
Sokajin-teny | matoantenin' ny mpanao
|
Fanazavàna teny malagasy | Manjera amin' ny tany, mandavo: Rivo-mahery no nandaboka ny tranonay Mikapoka, mamely: Nandaboka azy tamin' ny tehina teny an-tanany izy [1.1]
|
Fanazavàna teny anglisy | To beat, to strike, to throw down, to dash [1.2]
|
Fanazavàna teny frantsay | Jeter en bas, précipiter, faire tomber, battre, rosser [1.3]
|
Ohatra | Izato feony efa migoboka mandaboka dia mandaboka, manameloka iroa lehilahy lasa tontakely tsy fidiny noho ny ankasony ihany Nanaiki-molotra i Fandrava.
[2.895]
|
Haiendriteny |
Ny ankehitriny : |
mandaboka |
Ny lasa : |
nandaboka |
Ny hoavy : |
handaboka |
Filaza mandidy : |
mandaboha |
|
Tsipelina hafa |
|