Teny iditra | mandratra (ratra) | ||||||||||||||||
Sokajin-teny | matoantenin' ny mpanao | ||||||||||||||||
Famaritana malagasy | [Tambahoaka, Tanala] manimba [Rakotosaona 1975] | ||||||||||||||||
Manisy na mamely olona amin-java-maranitra ka mahatonga azy hanana fery: Esory io vy maranitra io sao mandratra ny zanakao ¶ Mampitondra alahelo: Nanao teny nandratra ny fony ianao ¶ Mahatonga fahavoazana, mampahita loza, mamohehatra, mampidi-doza: Tandremo fandrao mandratra anao io ady any amin' ny fitsarana io ¶ Manimba, mahatonga fatiantoka: Nanahy ihany izy sao handratra azy ilay vahiny nampiantranoiny tao aminy [Rajemisa 1985] | |||||||||||||||||
Fandikana anglisy | to hurt, to wound, to injure [Richardson 1885] | ||||||||||||||||
Fandikana frantsay | blesser, meurtrir, déchirer, égratigner:
Esory ireo hazo ireo, sao mandratra (Enlevez ces bois, de peur qu'ils ne blessent quelqu'un) ¶ gâter des fruits, déparer quelque chose ¶ Figuré: exposer à un malheur: Tandremo fandrao mandratra anareo io ady io (Prenez garde que ce procès ne vous soit funeste) [Abinal 1888] | ||||||||||||||||
Endriteny |
| ||||||||||||||||
Teny iditra | mandratrà (ratra) | ||||||||||||||||
Sokajin-teny | filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mandratra | ||||||||||||||||
Famaritana malagasy | [Rajemisa 1985] | ||||||||||||||||
Fandikana frantsay | [Abinal 1888] | ||||||||||||||||
Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31 |
![]() |