Teny iditra (1/4) | 1 mandrindrina |
Sokajin-teny | 2 matoantenin' ny mpanao |
Fanazavàna teny malagasy |
3 [1.1] Manao izay hiadian' ny lelavaravarana amin' ny batana mba tsy hahafahany mivoha (mba hitoviany tantana amin' ny rindrina); manakatona: Efa mahay mandrindrina varavarana ny zafikeliko Mametraka olona ao anaty trano mba tsy hahafahany mandehandeha: Nisy nandrindrina an' itý zaza itý tao an' efitra tao ka nitomany foana tao izy Mametaka varavarana: Mba tsy mahay koa izay mpandrafitra nandrindrina itony varavarana itony |
Fanazavàna teny anglisy |
4 [1.7] to close |
Fanazavàna teny frantsay |
5 [1.8] fermer |
Ohatra |
6 [2.471] Tsy nanome tsiny azy ireo aho ankehitriny fa mandrindrina ny fakam-panahy! |
Fototeny | 7 rindrina |
Haiendriteny |
|
Teny iditra (2/4) | 12 mandrindrina |
Sokajin-teny | 13 mpamaritra |
Fanazavàna teny malagasy |
14 [1.1] Enti-milaza olona sady lehibe no lava, ranjanana, goaibe: Tsitapitapitrizay indro nisy lehilahy nandrindrina be nanatona ahy |
Fototeny | 15 rindrina |
Teny iditra (3/4) | 16 mandrindriña |
Sokajin-teny | 17 matoantenin' ny mpanao |
Fanazavàna teny malagasy |
18 [1.78] [Sihanaka]
mandondona |
Ohatra |
19 [2.470] Malaza ho be mpamosavy ny vohitra sasantsasany tsy maintsy lalovany ka nampitsangam-bolo azy roalahy isaky ny misy aloka iray mandrindrina. |
Teny iditra (4/4) | 20 mandrindrìna |
Sokajin-teny | 21 filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mandrindrina [Fitanisana] |
Fanazavàna teny malagasy |
22 [1.1] |
Fototeny | 23 rindrina |
Fivaditsoratra | 24 andrindrinam, mandrindriña, mandrindrìna, mandrindrina |
Nohavaozina tamin' ny 2025/04/30 |
![]() |