|
|
|
|

Teny iditra (1/4)1  mandrindrina
Fototeny  2  rindrina
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4  [1.1] Manao izay hiadian' ny lelavaravarana amin' ny batana mba tsy hahafahany mivoha (mba hitoviany tantana amin' ny rindrina); manakatona: Efa mahay mandrindrina varavarana ny zafikeliko
Mametraka olona ao anaty trano mba tsy hahafahany mandehandeha: Nisy nandrindrina an' itý zaza itý tao an' efitra tao ka nitomany foana tao izy
Mametaka varavarana: Mba tsy mahay koa izay mpandrafitra nandrindrina itony varavarana itony
Fanazavàna teny anglisy  5  [1.7] to close
Fanazavàna teny frantsay  6  [1.8] fermer
Ohatra  7  Tsy nanome tsiny azy ireo aho ankehitriny fa mandrindrina ny fakam-panahy! [2.471]
Haiendriteny 
8  Ny ankehitriny :
9  Ny lasa :
10  Ny hoavy :
11  Filaza mandidy :

Teny iditra (2/4)12  mandrindrina
Fototeny  13  rindrina
Sokajin-teny  14  mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  15  [1.1] Enti-milaza olona sady lehibe no lava, ranjanana, goaibe: Tsitapitapitrizay indro nisy lehilahy nandrindrina be nanatona ahy

Teny iditra (3/4)16  mandrindriña
Sokajin-teny  17  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  18  [1.78] [Sihanaka] mandondona
Ohatra  19  Malaza ho be mpamosavy ny vohitra sasantsasany tsy maintsy lalovany ka nampitsangam-bolo azy roalahy isaky ny misy aloka iray mandrindrina. [2.470]

Teny iditra (4/4)20  mandrindrìna
Fototeny  21  rindrina
Sokajin-teny  22  filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mandrindrina [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  23  [1.1]

Fivaditsoratra  24  andrindrinam, mandrindrina, mandrindriña, mandrindrìna

Nohavaozina tamin' ny 2025/02/08