|
|
|
|

Teny iditra1  mangotraka
Sokajin-teny  2  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] Enti-milaza rano na zavatra hafa hafanaina ka efa matanta be miketriketrika: Efa mangotraka ny tsaramaso
Mandevy
Mahery fo, mavitrika: Mangotraka Rakoto iny raha miasa
Mafana, mirehidrehitra: Nangotraka izay kabary nataony izay
Fatratra, mahafinaritra izaitsizy, kanto: Nangotraka ny kilalaonay tany an-tsaha
Mandeha tsara, mahomby, mandroso: Mangotraka izao ny fiompiana kisoa
Mafy aoka izany: Tandremo fa mangotraka izao ny fisavankaratra
Fanazavàna teny anglisy  4  [1.7] to boil, to be boiling hot
to be very animated
Fanazavàna teny frantsay  5  [1.8] bouillir, être en ébullition
être très animé
Voambolana  6  Fizìka
Fototeny  7  hotraka
Haiendriteny 
8  Ny ankehitriny :
9  Ny lasa :
10  Ny hoavy :
Kamban-teny 
Ohabolana  12  Ohabolana misy io teny mangotraka io

Nohavaozina tamin' ny 2024/12/11