Teny iditra (1/3) | 1 manisika |
Sokajin-teny | 2 matoantenin' ny mpanao |
Fanazavàna teny malagasy |
3 [1.1] Mampiditra: Manisika antsy ao anaty fery Mampiditra ombieny ombieny: Manisika teny frantsay mandrakariva amin' ny resany rangahy io Manampy, manosoka: Voatery hanisika takelaka enina amin' ny boky ianao raha hanampy an' io toko iray vaovao io Manome vola na zavatra olona mba hanangolena azy, hitaomana azy tsy hanao ny adidiny: Tsy tokony hisy hanisika mpiasam-panjakana na iza na iza 4 [1.13] mampiditra sisika ao anelanelan'ny litera na fehezanteny |
Fanazavàna teny frantsay |
5 [1.13] espacer, intercaler |
Ohatra |
6 [2.528#] Koa miala tsiny, miala fondro aho, ny Andriamanjaka, raha manisika teny kely eto. |
Voambolana |
7 Toe-karena: tonta printy, sary |
Fototeny | 8 sisika |
Haiendriteny |
|
Kamban-teny |
|
Teny iditra (2/3) | 15 manisika |
Sokajin-teny | 16 matoantenin' ny mpanao |
Fanazavàna teny malagasy |
17 [1.78] [Bezanozano]
mividy |
Teny iditra (3/3) | 18 manisika |
Sokajin-teny | 19 matoantenin' ny mpanao |
Fanazavàna teny malagasy |
20 [1.78] [Tanosy]
mihantsy |
Fivaditsoratra | 21 mañisaky, manisika, nasaikim, nisimaka, sinimaka |
Nohavaozina tamin' ny 2025/02/02 |
![]() |