Teny iditra manofy (nofy)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mahita amin' ny torimaso: Nanofy an-dRakoto rainy, hono, izy
Mahatsiaro toa manao asa eo am-patoriana: Nanofy nitaingina fiaramanidina nankeny amin' ny volana aho [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Rêver: Manofy olona (Voir quelqu'un en songe) ~ Manofy mihira (Chanter en songe) [1.3]
Ohatra Alao ary, ka vonoy, fa hitan-tsikidy, ary ny atodiny andrahoy manokana, ary mandrahoa vary sosoa, ary rehefa masaka dia arosoy, ka ny atodiakohodia hianao lehilahy manapoka eo amy ny toko, ary ny vadinao manofy, ka dia apetraho eo am-bilianay [2.293]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manofy
Ny lasa : nanofy
Ny hoavy : hanofy
Filaza mandidy : manofisa
Tovy hevitra manonofy

Teny iditra mañofy (hofy)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  [Tambahoaka] Mivaofy, mamaofy [1.78]
  [Taisaka] Mivaofy, mamaofy, manaisotra ny hofy [1.78]
  [Sihanaka] Mivaofy [1.78]
  [Tanosy] Manendaka hoditra [1.78]

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20