Teny iditra |
manondrotra
(tondrotra)
|
Sokajin-teny | matoantenin' ny mpanao
|
Famaritana malagasy | Manatodika ¶ Manolaka (hadisoana) ¶ Mitana zaza eo anelakelaky ny lohalika roa ka manankin' ny lohany amin' ny tratra ary somary manainga kely kosa ny tongony mba hahafahany mivalana tsara [Rajemisa 1985]
|
Endriteny |
|
|
Teny iditra |
manondrotra
(sondrotra)
|
Sokajin-teny | matoantenin' ny mpanao
|
Famaritana malagasy | Mampakatra na manainga ho ambony, amin' ny hevitra arabakiteny na an' ohatra: Hanondrotra ny tranonay izahay amin' ny ririnina ho avy ~ Ny fanjakana no nanondrotra azy ho amin' izany toerana izany [Rajemisa 1985]
|
Endriteny |
|
Ohatra | bodofotsy tonta sy lamba soga tsizarizary no irakofany ary hazo fisaka natambatambatra no manondrotra izany ho toa farafara, tsy itoviany tantana amin' ny tany. [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 151]
|
|