Teny iditra manorika (tsorika)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Mikoriana manaraka ny rindrina na ny ivelan' ny zavatra iray, ny vatolampy (rano), ny takolaka (ranomaso): Nanorika nanaraha ny takolany ny ranomasony ~ Nanorika amin' ny vatolampy ny rano [Rajemisa 1985]
Endriteny 
manorika
nanorika
hanorika
Teny mitovy hevitra mitsorika
Ohatra 
1Vao mainka nifantoka tamiko ny masony nangano-hano, dia indreny vongan-dranomaso nanorika ny takolany. [Andriamalala: Ranomasina, takila 69]
2Tsy namaly i John fa ny ranomasony no nanorika moramora ny takolany. [Andriamalala: Fasana, takila 8]

Teny iditra mañorika
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy  [Tambahoaka] mitsininika [Rakotosaona 1972]

2012/07/23