|
|
|
|

Teny iditra1  maresaka
Fototeny  2  resaka
Sokajin-teny  3  mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  4  [1.1] Resahin' ny olona hatraiza hatraiza, malaza: Ny zava-maresaka amin' izao fotoana izao dia ny fisamborana ny mpangalatra omby
Be olona, be tabataba: Naresaka ery ny taena androany, fa tsy ohatra ny isan-kerinandro
Fanazavàna teny anglisy  5  [1.7] much talked about; lively, full or talk with people moving about
Fanazavàna teny frantsay  6  [1.3] dont on parle partout, être en vogue, célèbre, dont la renommée s’étend au loin ; qui fait du bruit, retentissant, qui s’entend au loin
7  [1.8] dont on parle partout; en vogue; où il y a beaucoup de mouvement et de conversation
Ohatra  8  maresaka ny fanompoana (Les corvées n’en finissent jamais - on en parle partout) [1.3]
9  maresaka ny mozika (La fanfare est très retentissante) [1.3]
10  Ny kabary am-pandevenana: toa izany sy izany koa no nahatonga ny kabary am-pandevenana ho maresaka, fijoroan'ny mpandahatra kalaza indrindra. [2.298]
Mpanahaka  11  mahoraka, makotroka
Ohabolana  12  Ohabolana misy io teny maresaka io

Nohavaozina tamin' ny 2024/12/10