|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  masonkarena
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] Izay lany rehetra tamin' ny nahazoana sy nanamboarana zavatra iray amidy: Tsy azoko amidy efajato ariary io latabatra io satria dimanjato ny masonkarena taminy
4  [1.13] fitambaran'ny saram-pividianana sy ny saram-panodinana
Fanazavàna teny anglisy  5  [1.7] the cost price; capital used in business
Fanazavàna teny frantsay  6  [1.8] prix de revient; capital investi dans une affaire
7  [1.13] prix de revient
Ohatra  8  [2.356#] Nisondrotra ny masonkarena tamin' ny fanaovam-boky.
Voambolana  9  Toe-karena: ara-bola ary fitantanana
Singan-teny  10  maso, harena
Ohabolana  11  Ohabolana misy io teny masonkarena io

Teny iditra (2/2)12  Masonkarena
Sokajin-teny  13  anaram-poko
Ohatra  14  [2.508] Nisy faritra efatra tao amin' ny menabe, dia ny Ombalahifotsy, ny Beminono, ny masonkarena ary ny Dimanjehy.
Voambolana  15  Haitoetany: firenena, foko
Singan-teny  16  maso, harena

Fivaditsoratra  17  Masonkarena, masonkarena, nanakoseram, nanasokeram

Nohavaozina tamin' ny 2025/04/25