Teny iditra (1/2) | 1 masonkarena |
Sokajin-teny | 2 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
3 [1.1] Izay lany rehetra tamin' ny nahazoana sy nanamboarana zavatra iray amidy: Tsy azoko amidy efajato ariary io latabatra io satria dimanjato ny masonkarena taminy 4 [1.13] fitambaran'ny saram-pividianana sy ny saram-panodinana |
Fanazavàna teny anglisy |
5 [1.7] the cost price; capital used in business |
Fanazavàna teny frantsay |
6 [1.8] prix de revient; capital investi dans une affaire 7 [1.13] prix de revient |
Ohatra |
8 [2.356#] Nisondrotra ny masonkarena tamin' ny fanaovam-boky. |
Voambolana |
9 Toe-karena: ara-bola ary fitantanana |
Singan-teny | 10 maso, harena |
Ohabolana | 11 Ohabolana misy io teny masonkarena io |
Teny iditra (2/2) | 12 Masonkarena |
Sokajin-teny | 13 anaram-poko |
Ohatra |
14 [2.508] Nisy faritra efatra tao amin' ny menabe, dia ny Ombalahifotsy, ny Beminono, ny masonkarena ary ny Dimanjehy. |
Voambolana |
15 Haitoetany: firenena, foko |
Singan-teny | 16 maso, harena |
Fivaditsoratra | 17 Masonkarena, masonkarena, nanakoseram, nanasokeram |
Nohavaozina tamin' ny 2025/04/25 |
![]() |