Teny iditra |
mba
|
Sokajin-teny | mpampitohy
|
Famaritana malagasy | Teny mpampitohy fehezankevitra ka milaza antony hanaovan-)avatra:
Tonga izahay mba hijery sy hamantatra
(arahin' ny "milaza ny ho avy" mandrakariva ity mba ity) [Rajemisa 1985]
|
Fandikana anglisy | in order to, in order that
(followed by the future tense) [Hallanger 1973]
|
Fandikana frantsay | afin que, pour que.
Mitenena mafy mba ho henon'ny olona rehetra ny feonao:
parlez fort pour que tout le monde vous entende [Rajemisa: Grammaire]
|
| afin de, afin que (suivi du futur) [Hallanger 1974]
|
Mpanahaka |
ndrao ~
sangoa ~
sao |
|
Teny iditra |
mba
|
Sokajin-teny | kianteny
|
Famaritana malagasy | Kianteny enti-manisika hevitra. 1) Fanajana, fiangaviana raha toa ka mampiasa matoanteny amin' ny fomba mandidy; entina manalefaka kokoa izay lazaina ny "mba" fa tsy mandidy:
Mba omeo kely amin' iny aho. / Mba mianara fa aza varian-daolao 2) Fanesoana:
Izany hono ka mba hendry 3) Filazana sahala amin' ny "koa", izay ampiasaina miaraka aminy rahateo:
Mba handeha koa aho raha mandeha ianao [Rajemisa 1985]
|
Fandikana anglisy | used to make a request or statement
more respectful;
mba omèo taratàsy kèly àho: please, give me
some paper [Hallanger 1973]
|
Fandikana frantsay | qui adoucit une commande;
mba omèo taratàsy kèly àho: veuillez me donner
du papier [Hallanger 1974]
|
|
Teny iditra |
mba
|
Sokajin-teny | kianteny
|
Famaritana malagasy | Kianteny kely ampiasaina mba hampirisika na hanainga olona ho toy izao sy toy izao:
Mbà hendry anaka. Mbà olom-banona
(marihina fa tsy fampiasa miaraka amin' ny matoanteny amin' ny fomba mandidy
itỳ mbà itỳ: Mbà mianatra tsara fa tsy mba mianara tsara; Ny "mba" manalefaka ny fomba mandidy no azo ampiarahina amin' ny fomba mandidy:
Mba mianara fa aza varian-daolao) [Rajemisa 1985]
|
|