Teny iditra | mba | |||
Sokajin-teny | mpampitohy | |||
Fanazavàna teny malagasy | Teny mpampitohy fehezankevitra ka milaza antony hanaovan-javatra: Tonga izahay mba hijery sy hamantatra (arahin' ny "milaza ny ho avy" mandrakariva ity mba ity) [1.1] | |||
Fanazavàna teny anglisy | In order that [1.2, 1.7] | |||
Too, as well as; that [1.2] | ||||
In order to (followed by the future tense) [1.7] | ||||
Fanazavàna teny frantsay | Particule exprimant le respect, la surprise, l’optatif; afin que [1.3] | |||
Afin que, pour que: Mitenena mafy mba ho henon'ny olona rehetra ny feonao (Parlez fort pour que tout le monde vous entende) [1.12] | ||||
Afin de, afin que (suivi du futur) [1.8] | ||||
Kamban-teny |
| |||
Mpanahaka | ndrao ~ sangoa ~ sao | |||
Teny iditra | mba | |||
Sokajin-teny | filaza mandidin' ny anarana omba | |||
Fanazavàna teny malagasy | Kianteny enti-manisika hevitra. Fanajana, fiangaviana raha toa ka mampiasa matoanteny amin' ny fomba mandidy; entina manalefaka kokoa izay lazaina ny "mba" fa tsy mandidy: Mba omeo kely amin' iny aho. / Mba mianara fa aza varian-daolao Fanesoana: Izany hono ka mba hendry Filazana sahala amin' ny "koa", izay ampiasaina miaraka aminy rahateo: Mba handeha koa aho raha mandeha ianao [1.1] | |||
Fanazavàna teny anglisy | A softening particle, meaning please [1.2] | |||
Used to make a request or statement more respectful; mba omeo taratasy kely aho (please, give me some paper) [1.7] | ||||
Fanazavàna teny frantsay | Impératif de omba : Mba hendry hianao (Soyez sage vous aussi [comme les autres]) ~ Mba tonga hianareo (Venez, arrivez vous aussi) [1.3] | |||
Qui adoucit une commande; mba omeo taratasy kely aho (veuillez me donner du papier) [1.8] | ||||
Teny iditra | mba | |||
Sokajin-teny | kianteny | |||
Fanazavàna teny malagasy | Kianteny kely ampiasaina mba hampirisika na hanainga olona ho toy izao sy toy izao: Mbà hendry anaka. Mbà olom-banona (marihina fa tsy fampiasa miaraka amin' ny matoanteny amin' ny fomba mandidy itỳ mbà itỳ: Mbà mianatra tsara fa tsy mba mianara tsara; Ny "mba" manalefaka ny fomba mandidy no azo ampiarahina amin' ny fomba mandidy: Mba mianara fa aza varian-daolao) [1.1] | |||
Nohavaozina tamin' ny 2022/01/27 |