|
|
|
|

Teny iditra 1  miangatra
Fototeny  2 angatra
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4 Tsy manao araka ny rariny amin' ny fizarana tombon-tsoa na amin' ny fitsarana: Mahagaga fa misy ray aman-dreny miangatra amin' ny zanany sasany, ka manome azy ireo betsaka noho ny hafa, amin' ny fizaram-pananana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  5 to show partiality, to be partial, to act or use unfairly, to praise falsely. [1.2]
6 to deal unfairly, to discriminate [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  7 faire des partialités, des préférences [1.3#45, 1.8]
Ohatra  8  Ny tantara tsy miangatra: [2.48#3]
9  miangatra raha milaza fa Ingahy Ramiandrisoa, olona mpanankarena, no irery nanararao-paty toy izany. [2.472#87]
Haiendriteny 
10  Ny ankehitriny :
11  Ny lasa :
12  Ny hoavy :
13  Filaza mandidy :
Mpanahaka  14  manao atody mafana ila, 15  manao loa-bary mitahy vady, 16  manao mizana tsindriana ila, 17  manao mpitsara be kibo, 18  manao zanaka anaty fo maharary, 19  manisy hodi-tsirany sy hodi-peny, 20  manisy tombo sy hala, 21  Mifidy tavan' olona
Fikambanana  22  Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 1 misy ny teny how miangatra
Ohabolana  23  Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  miangatra, 24 tarimanga

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/22