Teny iditra mianiana (aniana)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Manambara ampahibemaso fa hilaza izay fantatra ho marina: Mianiana izy fa hilaza ny marina ary ny marina ihany
Manambara ampahibemaso fa hanome izay nampanantenaina: Mianiana aho fa hanome vola azy raha vao manana
Manambara ampahibemaso fa hanatanteraka an-tsakany sy an-davany ny andraikitra takin' ny asa aman-draharahan' ny tena: Nianianaireo mpitsara vao nandray raharaha fa hanao araka ny rariny mandrakariva [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To take an oath [1.2, 1.7]
 To swear [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Prêter serment [1.8]
Ohatra 
1Mianiana amin' ise aho fa tsia! [2.529]
2Mahazo mianiana amin' ny razantsika aho, ry sombi-naiko! [2.285]
3Mianiana eto aminao izahay fa hanoa sy hanaja anao ary tsy hivadika! [2.113]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mianiana
Ny lasa : nianiana
Ny hoavy : hianiana
Filaza mandidy : mianiàna
Kamban-teny 

Teny iditra mianiàna (aniana)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mianiana [fitanisana]

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/10/20