Teny iditra miankina (ankina)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mipetraka na mitsangana ka misy zavatra iray izay manohana ny tena: Aza miankina amin' io tongo-davarangana io ianao fa toa boboka izy izany ~ Miankina amin' ny fahakingan' ise no hahavonjy antsika
Manantena ny hafa, miantehitra amin' ny hafa: Aza miankin-dohaloatra amin' ny hafa
Eo ambany fiadidian' ny...: Miankina amin-dreniny ny zaza ~ Miankina amin' ny Minisitry ny fampianarana ny sekoly rehetra [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To recline on, to lean against
To depend upon some one, as persons in poverty dependent upon others. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay S'appuyer, être appuyé, appuyer: Miankina amy ny rindrina ny lohatrano (Les chevrons sont appuyés sur le mur)
Se confier, compter sur, être à la charge de, dépendre, être chargé: Miankina aminao aho (Je compte sur vous) ~ Miankina amy ny ray aman-dreny ny zanaka (Les enfants sont à la charge de leurs parents) ~ Miankina amiko izany raharaha izany (Cette affaire dépend de moi, je suis chargé de cette affaire) [1.3]
Ohatra 
1Tsy niankina aminy irery anefa ny dia. [2.472]
2ary Vakinankaratra eo akeky Ambodirano miankina azy eo atsimony. [2.48]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : miankina
Ny lasa : niankina
Ny hoavy : hiankina
Filaza mandidy : miankìna
Kamban-teny 

Teny iditra miankina
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  [Tanosy] Maty (raha olon-dehibe) [1.78]

Teny iditra miankìna (ankina)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao miankina [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  [1.3]

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20