Teny iditra |
mibaiko
(baiko)
|
Sokajin-teny | matoantenin' ny mpanao
|
Fanazavàna teny malagasy | Manome didy am-bava na an-tsoratra ny miaramila fehezina: Iza dry, raha fantatrao, no nibaiko ny miaramita tany Andriba? Manao famantarana amin' ny moana na amin' ny biby ka azon' izy ireo izay tiana holazaina amin' izany famantarana izany: Mahay mibaiko ny alikany fatratra lahy io Rangahy io [1.1]
|
Fanazavàna teny anglisy | To speak in words of a foreign language; to use words of command.
These words originally came into use in drilling soldiers. [1.2]
|
| To command [1.7]
|
Fanazavàna teny frantsay | Parler un langage étranger, donner un commandement par paroles ou par signes [1.3]
|
| Donner un commandement [1.8]
|
Ohatra |
1 | Dia nibaiko ireo miaramilany ilay lehibeny, ka nasainy najanona ny vono.
[2.324]
|
2 | Sady mibaiko izy, no manontany, no manompa, ka i Lidy mifihifihy no manaraka azy eto aoriana sy manao izay lazainy.
[2.470]
|
3 | Amin' ny fotoana toy izany, ny famonjena ny aina no hany sisa mibaiko sy ankatoavina.
[2.472]
|
|
Haiendriteny |
Ny ankehitriny : |
mibaiko |
Ny lasa : |
nibaiko |
Ny hoavy : |
hibaiko |
Filaza mandidy : |
mibaikoa |
|
|